BEPC Morondava: Nisy olana ny laza adina Malagasy

  • lundi, 09 septembre 2019 11:32
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Morondava

Tsy mazava ny lahatsoratra, tsy voatsipika ny teny itadiavana mitovy hevitra sy teny rasaina. Ireo ny olana tsikaritra tamin’ny laza adina malagasy tao amin’ny Lycée Pole Morondava Centre, eto an-drenivohitry ny faritra Menabe androany maraina amin’ny fanadinana BEPC.

Niantso tany amin’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ny tomponandraikitra, nitady vahaolana. Azo tamin’izany ilay teny, ary nadika teny amin’ny solaitrabe ny lahatsoratra.

Vokany, nisy fahatarana ny fanombohan’ny adina Malagasy tao amin’ity foibem-panadinana ity androany maraina.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.