Mpandika teny: Nisaoran'i Papa manoka i mopera Marcel

  • dimanche, 08 septembre 2019 22:46
  • Tigre

Teo ampamaranana ny teniny, nandritra ny fihaonan'ny Papa Fransoa tamin'ireo Pretra sy Relijiozy tao Amparibe, dia nisaotra manokana an'i mopera Marcel, nanao ny fandikan-teny nanomboka teny Ivato, sy tamin'ny fihaonana rehetra nataon'i Papa teto Madagasikara.

Feno fanetre-tena i mopera Marcel, ka tsy nadikany ny tenin'i Papa nisaotra azy, fa ny Papa no niangavy azy handika ny fisaorana nataony azy.

Mompera Ranivomanalina Marcel, « curé » ao amin’ny EKAR Fiakarana Ambohitrimanjaka – Antananarivo no nanao ny fandikan-teny ho an'i Papa Fransoa nandritry ny fitsidihana Apostolika notanterahiny teto Madagasikara.

Nitsofiny rano manokana moa ity Pretra ity avy eo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.