St Michel Amparibe: Nihaona tamin'ny Pretra sy Relijiozy ary ireo olom-boatokana

  • dimanche, 08 septembre 2019 22:38
  • Tigre

Nanakatona ny fitsidihan'ny Papa Fransoa androany alahady 08 septambra ny fihaonany tamin'ireo Pretra, Diakra, seminarista, frère, katekista, masera sy Relijiozy lahy sy vavy, tao amin'ny kianjan'ny Masina Misely Amparibe.

Notsindriany tamin'izany ny toetra fanetren-tena tokony ananan'ireo mpitarika ny Fiangonana, ny fankaherezana azy ireo amin'ny asa mafy izay sahanina, indrindra ny fanantonana akaiky ny vahoaka taritina, ny fahaizana mihaino azy ireo, ny fitondran-tena mendrika.

Tsy adinony teo ampanombohana ny nahatsiaro ireo olom-boatokana tsy salama, na tsy afaka nanantona izao fihaonana Apostolika izao.
Nangataka tamin'ireto Pretra sy Relijiozy ireto izy hitondra ambavaka azy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.