Tetibola 2020: Harafitra mifandraika amin’ny filan’ny vahoaka sy ny zava-misy isaky ny Faritra

  • mercredi, 14 août 2019 22:08
  • Britto

Hentitra ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina androany nandritra ny filankevitry ny minisitra. Mitaky « Asa– Fahamatorana – Fandraisana andraikitra » ny tenany. Mikasika ny fandrafetana ny volavolan-teti-bola taona 2020 dia nanome toromarika mazava ny tenany, fa mila arafitra mifandraika amin’ny filan’ny vahoaka sy ny toe-javamisy isaky ny faritra izany.

Mila ampitomboina ny fandaniam-bola ara-tsosialy, mila ampitomboina ny famatsiambola natokana ho amin’ny fampiroboroboana ny fambolena, hoy ny filoha, ampifanarahana tsara amin’ny filan’ny vahoaka sy ny tanjona nanaovany velirano tamin’ny vahoaka Malagasy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.