FIP Toliara: Nahatratra mpamatsy basy dahalo

  • mercredi, 14 août 2019 20:00
  • Zakaria
  • Sary Njaka

Ny 11 aogositra 2019 lasa teo tany Tsimenatra II Toliara dia lehilahy 01, 26 taona no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny « Force d’intervention de Police » FIP Toliara noho ny resaka fanamboarana basy vita gasy.

Andro maromaro talohan’io dia nahazo loharanom-baovao ny Polisin’ny FIP Toliara fa misy lehilahy 01 manamboatra sy mivarotra basy any amin’iny faritra iny. Natao ny fanarahan-dia ka tra-tehaka tao Tsimenatra II ilay tovolahy voalaza fa tompon’antoka amin’izany.

Mbola tratra tao aminy ihany koa ny basy poleta vita gasy sy basy lava maromaro miaraka amin’ireo bala (basim-borona miisa 4, revolver, pistolet automatique, bala maromaro, matrices fanamboarana cross métallique, sns)
Fantatra ihany koa fa ity lehilahy ity dia ahiana ho anisan’ireo mpamatsy basy lava an’ireo dahalo any an-toerana. Natolotra ny Police judiciaire aty Toliara avy hatrany hanohizana ny fanadihadiana.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.