Parlemanta: Hivory tsy ara-potoana manomboka anio

  • lundi, 12 août 2019 12:09
  • Zakaria

Haharitra 12 andro, manomboka amin’ity 12 aogositra 2019 ity, ny fivoriana tsy ara-potoana voalohan’ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona. Lahadinika amin’izany ny fandinihana sy fandaniana ny lalàna 2011-013 nasiam-panitsiana, mifehy ny fanoherana sy ny antoko mpanohitra eto Madagasikara.

Lalàna efa lany tamin’ny 2011, ary nankatoavin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, fa tsy mbola namoahana didy fampiharana ity averina hodinihina eny anivon’ny Parlemanta ity.

Mandritra ity fotoam-pivoriana ity ihany koa no handrosoan’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta ny Politika ankapoben’ny Fanjakana.

Ho an’ny Antenimieram-pirenena manokana dia isan’ny lahadinika ny fanitsiana ny Fitsipika anatiny.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.