Lalana Sambava-Andapa: Lozam-piarakodia roa nielanelana andiny 5 tamin’ny toerana iray

  • jeudi, 08 août 2019 21:54
  • Zakaria
  • Sary Gasypatriote Sambava

Maty avy hatrany ilay mpamilin’ny kamiao iray raha vao tonga teny amin'ny hopitaly Besopaka Sambava tamin'ity lozam-pifamoivoizina nahatsiravina, izay niseho tao Andongona Andranomifototra, Distrikan’Andapa androany tokony tamin'ny 4ora maraina.

Olona telo no tao amin'ny ''devant'' an’ity kamiao ity, ka vehivavy mitondra vohoka enim-bolana ny iray. Samy nisokirina avokoa no nahafahana azy ireo.

Adiny dimy taty aoriana, tokony tamin'ny 9ora maraina, dia nisy kamiao hafa indray avy any Andapa, sendra nijanona nijery ny loza niseho tamin'ilay kamiao taloha no indro nisy fiara 4x4 marika Mazda amin’ireny karazany BT50 ireny, avy tampoka nisosososo nidim-pidinana satria tsisy hisatra tampoka nefa avy dia nitrongy ilay kamiao. Potika ny fiara, tsy nisy aina nafoy.

Efa eo ampelatan'ny Zandarmaria ny famotorana momba ireto lozam-piarakodia ireto.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.