Trafika lavanila: Voasazy 10 volana an-tranomaizina, sazy mihatra i Jimmy Georges

  • jeudi, 08 août 2019 21:36
  • Britto

Niakatra fitsarana androany 08 aogositra 2019 i Jimmy Georges, mpandraharaha lavanila aty Fenoarivo Atsinanana. Tratra nitondra lavanila 200kg tao anaty fiara niaraka tamina olona efatra izy, nefa tsy mbola nisokatra ny taom-piotazana lavanila.

Notazomina am-ponja vonjimaika izy ireo nanomboka tamin’ny 08 may 2019, niandry ny fotoam-pitsarana azy. In-droa nangataka fahafahana vonjimaika izy taorian’izay, fa nolavin'ny Fitsarana hatrany.

Raha nivoaka ny didy androany 08 aogositra 2019, dia 10 volana an-tranomaizina sazy mihatra no saziny sy ireo olona efatra tra-tehaka niaraka taminy nitondra lavanila.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.