Ambilobe: Hiverina amin’ny laoniny rahampitso ny famatsiana solika

  • jeudi, 08 août 2019 20:07
  • Zakaria

Nisy fikorontanana ny famatsiana solika teto amin’ny tanànan’Ambilobe, miainga avy ao amin’ny tobin-tsolika Antsiranana, tato anatin’ny roa andro izay.

Fanjifana solika mihoapampana miampy ny fanamboaran-dalana amin’ny lalam-pirenena faha-6 no antony raha ny fanazavan’ny OMH (Office Malgache des Hydrocarbures).

Nampahafantatra tao amin’ny pejiny facbook ity ofisin’ny akoranafo ity androany fa hiverina amin’ny laoniny manomboka rahampitso zoma 9 aogositra 2019 ny famatsiana solika eto Ambilobe.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.