Finday: Nopotehina ireo tsy misy IMEI

  • jeudi, 01 août 2019 21:10
  • Britto
  • Sary Njaka

Fiaraha-miasa teo amin'ny ARTEC sy ny Fadintseranana no namotehina ny finday miisa arivo mahery noho ny tsy fisian'ny IMEI.

Ny IMEI na "International Mobile Equipment Identity" dia isa eo amin'ny 15-17 eo, izay hita ao ambadikin'ny finday, na ao anaty fitoerana batterie, na tsindrio ny *#06# (Etoile dièse 06 dièse) OK na appel, dia mivoaka ny IMEI, izay isa tokana ananan'ny finday tsirairay, ka amantarana izay tompony. Raha double puce na double SIM ny finday dia misy IMEI roa.

Tsara tehirizina izany io IMEI io, raha very ny finday, dia avy amin'io no mety ahitana ny finday, raha misy GPS aza izy, dia azo karohina amin'io.

Ny antony mahasarotiny ny fitondrana amin'ny finday misy IMEI io dia finday tsy hosoko izany ny finday, ary ahafahana ihany koa mitsinjo ny fandriampahalemana, toy ny ady amin'ireny asa fampihorohoroana ireny, na ireny asa ratsy fakana ankeriny ireny, dia mora ny manaraka ilay olon-dratsy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.