Amboasary Sud: Mandrahona ny tsy hampanao CEPE ireo mpampianatra FRAM

  • jeudi, 11 juillet 2019 12:12
  • Britto

Mandrahona ny tsy hampanao CEPE ireo mpampianatra FRAM ato amin’ny Distrika Amboasary Sud, Faritany Toliara. Tsy mbola voaray hatramin’izao ny tambikarama fito volana, hoy izy ireo, ka izay no anton’io, mba hanerena ny tomponandraikitra hamaha olana, satria mamelom-bady aman-janaka, ahiana ara-pahasalamana, ara-tsakafo, ara-pianarana ary ara-mpivelomana izahay, hoy hatrany ny tarain’ireo mpampianatra FRAM ireo.

Hatao ny 27 aogositra 2019 ny fanadinana CEPE manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. 524 997 no isan’ny mpiadina hiatrika io fanadinana ara-panjakana voalohany io, mpianatra manana fahasembanana ny 82 amin’izy ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.