Lalaon’ny Nosy: Maniry hampiantrano ny andiany faha-XI i Madagasikara

  • mercredi, 10 juillet 2019 15:19
  • Zakaria

Mandalo eto Madagasikara ny delegasiona avy amin’ny Komity iraisam-pirenena momba ny lalaon’ny Nosy, mijery ireo toerana hisy ny foto-drafitrasa handraisana ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-XI amin’ny taona 2023 araka ny fanirian’i Madagasikara.

Hanokana 150 tapitrisa dolara ny fanjakana malagasy, hanarenana ireo fotodrafitrasa efa misy sy hanorenana vaovao, ka lehibe amin’izany ny fananganana ny « Academie Nationale des sports » amina velarantany mirefy 9 hektara eny amin’ilay tanàna vaovao « Tanamasoandro », tetikasan’ny filoha Andry Rajoelina.

Nandray ary nitarika ireto delegasionina ny Ministry ny tanora sy ny fanatanjahantena sy ireo teknisianin'ny ministera, ary ny avy eo amin'ny fiadidiana ny Prezidansa sy ny filohan'ny Komity Olimpika.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.