Ambanja: Vehivavy mpitana “bar” maty notifirin’ny jiolahy

  • lundi, 01 juillet 2019 20:42
  • Zakaria

Nitrangana fanafihana mitam-basy teo Ankatafahely – Ambanja ny alahady 30 jona tokony ho tamin’ny 7 ora hariva. Vehivavy iray, efa loa-jafy, mitazona toeram-pisotroana, no nisy nanafika tao an-trano fonenany.

Teo ampanasana ireo zafikeliny telo, tao amin’ny trano fidiovana izy, no niditra ankeriny ireo jiolahy, sady nanery azy hiditra tao an-trano, raha nambaran’ireo zafikeliny.

Efa nitsirara sady nihoson-dra tao an-trano i Marie, no hitan’ny olona, izay taitra tamin’ny feom-basy nipoaka in-dray mandeha. Niditra tao amin’ny lamosiny ny bala ary nivoaka taty anoloana.

Nikorontana ambony ambany ny entana tao an-trano. Tsy mbola voafaritra mazava ny zavatra nalain’ireo jiolahy.

Marie, sy zafikeliny telo, izay mbola kely no tao an-trano tamin’ny fotoana nitrangan’ny fanafihana.

Eo ampelan-tanan’ny Polisy ny raharaha, izay nanokatra fanadihadiana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.