Solika: Hihena 100 ariary ny lasantsy

  • mercredi, 19 juin 2019 21:25
  • Tigre
  • Sary Présidence

Nivory nandritra ny 3 andro niaraka tamin'ny Filoha Andry Rajoelina ireo mpisehatra rehetra momba ny solika.

Tapaka tamin'izany fa hihena 500 ariary ny vidin’ny solika fandrehitra na pétrole, ny gasoil dia hihena 150 ariary, ary ny lasantsy dia hihena 100 ariary.

Raha tamin'ny 04 desambra 2018 ny vidin'ny solika:

Solika fandrehitra 2630 ariary
Gazoaly: 3550 ariary
Lasantsy: 4200 ariary

Dia ho lasa:

Solika fandrehitra: 2130 ariary
Gazoaly: 3400 ariary
Lasantsy: 4100 ariary

Hihena ihany koa ny saran’ny fitaterana solika alain’ireto mpandraharaha ireto. Hampitomboina kosa ny karaman’ireo mpitantana toby famatsian-tsolika izay malagasy ny ankamaroany.

Hafindra ivelan’Antananarivo ny toby tahirin-tsolika eo Ankorondrano noho izy tsy manaraka ny fenitra miaro ny tanan-dehibe. Hafindra araka izany ihany koa ireo tahirin-tsolika eny an-tanan-dehibe manerana ny faritra rehetra.

Ny tahirin-tsolika dia hitombo 45 andro raha 21 andro izany amin’izao fotoana izao.

Izao no natao hoy ny filoha dia ny ampihena ny vidim-piainana, taorian'izao fivoriana goavana izao.

 

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.