Fandriampahalemana: Manana 24 ora ireo mitazona basy tsy ara-dalàna hamerina izany amin’ny mpitandro filaminana

  • mercredi, 19 juin 2019 11:28
  • Britto

Tapitra rahampitso 20 jona 2019 ny fe-potoana nomen’ny Fanjakana ireo rehetra mitazona basy tsy ara-dalàna hamerina izany eny amin’ny mpitandro ny filaminana fa tsy misy arakaraka.

Dahalo maro tamin’iny Distrikan’i Isandra, faritra Matsiatra Ambony iny, no nanapa-kevita namerina ireo basy tany aminy.

Tombanana ho 6.000 eo ny isan’ny sivily izay manana taratasy fahazoan-dalàna hitazona fitaovam-piadiana eto Madagasikara. Betsaka amin’ireo anefa no tsy mazava hoe basy avy aiza ary karazany inona izy ireo. Ho hentitra amin’ny fampiharana lalàna ny Fanjakana ho an’izay tratra aorian’ny 20 jona, fe-potoana nanomezana famindrampo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.