DRCC Analanjirofo: Nanolo-tanana amin’ny fampitaovana ireo zanaky ny faritra

  • mardi, 18 juin 2019 20:18
  • Zakaria
  • Sary Gasypatriote Toamasina

Taorian'ny fametrahana an'i Ndiamahazo Mickaelys Kamy ho Talem-paritry ny serasera sy kolontsaina (DRCC) ao Analanjirofo, dia miditra an-tsehatra manampy ara-pitaovana ireo fikambanana samihafa amin'ny maha zanak'Analanjirofo an'i Ndiamahazo Mickaelys Kamy.

Nanolotra solosaina efatra ho an’ny DRCC Analanjirofo ny LCDM, izay fikambanana manampy ireo olona voan'ny aretina “drépanocytose”, izay miara-miasa amin'ny Université Paris-Sud any Frantsa.

Nitondra anjara biriky ihany koa Atoa Félix, izay zanak’i Fenoarivo Atsinanana, izay mahatsiaro manana adidy amin'ny fampiroboroboana ny lafin'ny serasera sy ny kolontsaina any an-toerana tamin'ny fanomezana solosaina entin-tanana sy fandraisam-peo ary fanamafisam-peo samihafa ihany koa.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.