Tanambao-Daoud: Tovolahy mpivahiny roa matin’ny fitsaram-bahoaka

  • mardi, 18 juin 2019 19:54
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Fahafatesana tovovavy iray tamin’ny fomba feno habibiana tao Andramanolotra no niafara tamin’ity fitsaram-bahoaka ity. Nanjavona tsy hita ilay tovovavy tamin'ny herinandro lasa teo iny. Izy efa maty tamin'ny fomba feno habibiana vao hita, ary ny loza dia nasaly tamin'ny afo ity fatim-behivavy ity.

Voasambotra omaly ireto roalahy voarohirohy tamin'izany ka notazonina vonjimaika tao amin'ny biraon’ny Kaominina Tanambao-Daoud Sambava.

Tonga tao ny fianakavian’ilay tovovavy androany dia nangataka ny hanolorana amin'izy ireo ny namono ny havan'izy ireo. Tsy nety ny Ben’ny tanàna Totofeno Modeste Philbert fa nandrara satria tsy mety ny fitsaram-bahoaka. Rehefa izay dia niditra an-keriny tao amin’ny efitra nitazonana azy roalahy ny andian’olona nentin-katezerana dia fitsaram-bahoaka no niafarany.

Nampandrenesina ny zava-misy ny Zandarimaria ary nandefa iraka haingana any an-toerana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.