Kohen Rivo Lala : “Amin’ny 2023 indray mihaona !”

  • mardi, 18 juin 2019 19:42
  • Zakaria
  • Sary: Lala Randriatianarivo

Amin’ny 2023 indray mihaona. Mbola hanolotena ihany i Kohen amin’ny 2023 ho filoham-pirenena. Fanambarana nataon’i Lala Randriatianarivo, fantatra amin’ny anarana hoe Kohen Rivo Lala, ao amin’ny pejy fesibokiny io.

Kandida solombavambahoaka farany teo, tao Antsirabe II, i Kohen Rivo Lala. Niaiky ny fahareseny izy, ary nisaotra ireo mpifidy tamin’iny fifidianana iny. Malalaka ny safidy fa tsy terena handray ny fahasoavana avy amin’i Kohen ny olona, hoy izy.

Nanipika moa i Kohen Rivo Lala fa « Tsy mampiasa ny Ctic Ctac Dou amin’ny fifidianana » ny tenany satria « tsy terena ny handray ny fahasoavana entin’i Kohen ».

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.