Vidin-tsolika: Hitohy hatramin'ny alarobia ny fivoriana

  • lundi, 17 juin 2019 20:11
  • Zakaria

Namory ireo mpandraharaha amin’ny solika (VIVO Energy Madagascar, Total, Jovena, GRT, GPM, LPSA) tao amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra, androany 17 jona 2019 tolakandro, ny filoha Andry Rajoelina. Niatrika ny fivoriana ny praiminisitra Ntsay Christian, ny minisitry ny angovo, ny rano ary ny akoranafo, ny minisitry ny fanajariana ny tany, ny trano fonenana ary ny Asa vaventy.

Tsy mbola nisy fanapahan-kevitra nivoitra, na nisy aza ny voalaza fa teboka efa itovian-kevitra. Hitohy hatramin'ny alarobia 19 jona 2019 ny fivoriana.

Raha tsy mbola nihetsika amin’ny vidiny nihatra hatramin’ny 4 desambra 2018 ny vidin-tsolika eny amin’ireo toby mpaninjara dia nisy fiakarany 0,3% ka hatramin’ny 0,4% androany ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.