Egypta: Maty nandritra ny fotoam-pitsarana azy ny filoha teo aloha Mohamed Morsi

  • lundi, 17 juin 2019 19:48
  • Zakaria
  • Sary nindramina internet

Nitambotsotra tao amin’ny tribonaly, nandritra ny fitsarana azy androany, ny filoha egypsiana teo aloha Mohamed Morsi, araka ny vaovao navoakan’ny televizionim-panjakana ao an-toerana.

67 taona i Mohamed Morsi, ary mpitarika ny hetsiky ny “Frères musulmans » no nampisongadina azy, izay nahavoafidy azy ho filohan’i Egypta tamin’ny taona 2012. Herintaona taorian’ny niakarany teo amin’ny fitondrana anefa izy dia naongan’ny Tafika ary voasambotra.

Fito taona an-tranomaizina ny saziny, noho ny hosoka tamin’ny dosie nirotsahany hofidiana tamin’ny 2012 io.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.