Solika: Hamory mpandraharaha ny filoha Rajoelina

  • samedi, 15 juin 2019 08:53
  • Zakaria

"Tsy maintsy midina ny vidin-tsolika ary toy izany koa ny saram-panofana ireo milina mpihary herinaratra hofain'ny JIRAMA", hoy ny filoha Andry Rajoelina raha nitafa fohy tamin'ny mpanao gazety teo ampitsidihana hetsika ara-pizahantany teny amin'ny CCI Ivato omaly izy.

Hamory ireo mpandraharaha sy ireo tomponandraikitra voakasik'izany izy amin'ny alatsinainy 17 jona izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.