Mpiasa ECD: Enim-bolana tsy nahazo karama

  • jeudi, 13 juin 2019 20:58
  • Zakaria

Mitaraina ireo mpiasa ECD (Emploi de Courte Durée) amin’ny fanjakana, fa hananika ny enim-bolana izao raha tapitra ity volana jona ity, no tsy nahazo karama. Tsy misy fanazavana ny antony, fa dia mitaintain-dava izahay mpiasa ECD, indrindra manoloana ny filazana fa tsy maintsy hanadio tontolon'ny ECD ny Fajankana, hoy izy ireo.

“Tena mijaly ny ankabeazanay ECD”, hoy hatrany izy ireo, satria “tsy velomin-dray aman-dreny intsony ny betsaka aminay fa efa mamelom-bady aman-janaka daholo, nefa izahay miasa ary mitana andraikitra maro amin'ny asam-panjakana”.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.