Gara Jean Robert: Nodimandry androany talata 11 jona

  • mardi, 11 juin 2019 16:26
  • Tigre
  • Sary nomena

Tokony tamin'ny telo ora maraina teo no nisento farany ity Governoran'Antsiranana teo aloha ity, rehefa nitsabo tena maharitra.

Niainga io tolak'andro io teto Antananarivo ny vatana mangatsiakan'i Gara Jean Robert, ka hiazo an'Antsiranana amin'ny fiarakodia.

Talé Jénéralin'ny SECREN izy talohan'ny naha Governora azy tamin'ny andron'ny Filoha Didier Ratsiraka.

Fantatra ihany koa izy teo amin'ny sehatry ny baskety sy ny baolina kitra.

Rehefa tsy re nandritra ny fotoana maharitra, dia tazana kosa izy nanohana ny kandida ho solombavambahoaka ho an'Antsiranana Papa Soulé.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.