Pakistan: Nosamborina noho ny kolikoly ny filoha teo aloha Asif Ali Zardari

  • mardi, 11 juin 2019 13:39
  • Britto
  • Sary nindramina

Efa nahazo anarambositra « Monsieur 10% » mihitsy ity prezidan’i Pakistan teo aloha, Asif Ali Zardari ity, noho io raharaha kolikoly sy fanodikodinam-bola io.

Nosamborina ny alatsinainy 10 jona 2019, tao Islamabad izy, rehefa nolavin’ny Fitsarana ny fangatahany fahafahana. Nisy sakoroka kely teo amin’ny mpitandro ny filaminana sy ireo mpomba azy nadritra io fisamborana omaly io.

Filohan’i Pakistan teo anelanelan’ny taona 2008 sy 2013 i Asif Ali Zardari. Efa praiminisitra ny vadiny, Rtoa Benazir Bhutto. Efa nodimandry moa ity farany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.