Betioky Atsimo: Aorian’ny Pantekôty vao hisy herinaratra

  • samedi, 08 juin 2019 13:56
  • Britto

Hankalaza ny Pantekôty anaty haizina ny eto Betioky Atsimo, noho ny tsy fisian’ny herinaratra hatramin’ny talata lasa teo. Voalaza fa tsy dia avy amin’ny tsy fisian’ny solika loatra no fototry ny olana fa teknika amin'ny gropy no mahatonga ny fahatapan-jiro eto an-toerana.

Mbola nafarana any Antananarivo ny piesy ahafahana manamboatra ilay gropy. Tombanana ho vita ny Alatsinainy 10 jona ho avy izao ny asa fanamboarana ahafahana mamerina ny herinaratra amin’ny laoniny.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.