Betioky Sud: Efatra andro tsy misy jiro

  • samedi, 08 juin 2019 13:45
  • Britto

Nanomboka tamin'ny talata 4 jona 2019 no miaina anaty haizina ny eto Betioky Sud, Faritra Atsimo Andrefana vokatry ny tsy fisian'ny herinaratra noho fahasimban'ny milina famokarana herinaratra.

Nanamarika ny serasera eo anivon'ny Jirama fa mbola nafarana any Antananarivo ny piesy ahafahana manamboatra io milina io. Tombanana ho vita ny Alatsinainy ho avy izao ny asa fanamboarana ahafahana mamerina ny herinaratra amin'ny laoniny.

Mitaraina ny mpandraharaha sy ny mpivarotra mampiasa herinaratra. Sahirana ny mpanao volo, cyber, mpanao soudure, mpanety...noho io tsy fisian'ny herinaratra io.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.