Foloalindahy Malagasy: Hatao ny 11, 12, 13 jona 2019 ny fifaninanana handraisana mpanamory angidimby

  • vendredi, 07 juin 2019 21:03
  • Britto
  • Sary nindramina

20 ireo mpiadina ho mpanamory angidimby hiatrika ny fifaninanana ho tontosaina amin’ny 11, 12, 13 jona 2019.

Miara-miasa akaiky amin’ny fandavorariana ity fanadinana ara-panjakana ity ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena sy ny Minisiteran’ny Asa sy ny Lalàna Sosialy ary ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly na ny BIANCO, izay hisahana ny fanarahamaso ny fifaninanana.

Nahazo angidimby ny Foloalindahy Malagasy hanamorana ny fanaovana ny asa fampandriana fahalemana an’i Madagasikara. Izany no isan’ny antony hanaovana izao fifaninanana izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.