Fifidianana depiote: 68%’n’ny kandida no nanao sonia « TOKY NOMENA »

  • samedi, 18 mai 2019 10:41
  • Britto
  • Sary nindramina

Loha-lisitra sy solontenan’ny kandida depiote miisa 553 amin’ireo mpilatsaka ho fidiana miisa 810 (68%) no nanao sonia « TOKY NOMENA », dina novolavolain’ny komity ivondronan'ny rafitra 12 misehatra amin’ny fifidianana (CENI, BIANCO, CNIDH, CSI, SAMIFIN, HCDED, CFM, ROHY, FANDIO, Transparecy International, ONG Tolotsoa, Justice et paix).

Dina ifampifehezan’ireo kandida ho Solombavambahoaka, ahitana ireo fitsipi-pitondran-tena irian’ny olompirenena mba hananan’ireo kandida mandritra ny fampielezankevitra sy mandritra ny fifidianana, ary aorian’ny fifidianana..

Nisy kandida avy amin’ny lisitra faharoa miisa 19 ihany koa nanao sonia.

Faripiadidim-pifidianana miisa 8 no tsy tratra antso noho ny antony maro samihafa, toy ny fahasarotan’ny lalana, izay ahitana kandida loha lisitra 45.

Vehivavy avokoa 67%-n’ireo nanao sonia ny « TOKY NOMENA ». Marihina fa vehivavy ny 14%-n’ireo kandida amin’ny fifidianana solombavambahoaka hatao amin’ny 27 mey 2019.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.