Ambanja: Hisokatra amin’ny 20 mey ny taom-piotazana lavanila

  • mercredi, 15 mai 2019 18:05
  • Britto

Fitakiana ny hamoahana io datin’ny taom-piotazana lavanila io, manoloana ny fitarainan’ny tantsaha mpamboly amin’ny afitsoky ny mpangalatra, no isan’ny nampidirana am-ponja an’i Ali Sarety, filoham-boninahitry ny fikambanana « Zanak’Ambanivolo Miray » nanomboka tamin’ny zoma 10 mey 2019 teo.

Namoaka daty ny fanjakana omaly, fa dia hisokatra amin’ny alatsinainy 20 mey 2019 ny taom-piotazana lavanila amin’iny faritra Sambirano iny.

Etsy ankilany, mitaky ny hamoahana an’i Ali Sarety ny « Zanak’Ambanivolo Miray », satria amin’izy ireo dia fanendrikendrehana noho ny fijoroany hiaro ny tantsaha amin’ny afitsok’ireo « mafia » lavanila fotsiny no nampidirana am-ponja azy, ka tsy hihemotra amin’izany fitakiana izany ny mpikambana, ary hataon’izy ireo isan’ambaratonga mipaka any amin’ny filoham-pirenena izany fitakiana izany.

Maro hoy izy ireo no mahatsikaritra fa efa manitra lavanila ny tranon'ireo olona ambony eto an-tanàna nefa ny fotoam-piotazana mbola tsy misokatra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.