Belo sur Mer: Tafaka efatra ny maty vokatry ny fihinanany fano

  • mardi, 14 mai 2019 17:53
  • Britto

Tamin’ny 06 mey 2019 lasa teo no nitrangan'ity fanampoizinana aran-tsakafo ity taty Belo sur Mer, Distrikan'i Morondava vokatry ny fihinanana fano na sokatra an-dranomasina.

Olona niisa 67 no nihinana ity hazan-dranomasina ity ary ny 54 no narary ka 4 tamin’ireo no namoy ny ainy, dia zaza 11 volana, zaza 1 taona sy tapany, zaza 6 taona ary olon-dehibe 70 taona.

Nidina taty an-toerana ny tompon’andraikitra avy any amin’ny Ministeran’ny Fahasalamana, sy ny mpiasan’ny Fahasalamana Morondava notarihin’ny Talem-paritry ny Fahasalamana nijery ny zava-misy sy nitondra fanafody nitsaboana ireo olona marary.

Nisy ny famoriana Fokonolona ho fampahafantarana ny fandraran’ny lalàna ny fanjonoana an’io fano io noho izy io anisany biby arovana sy tsy azo hanina satria misy poizina mahafaty any anatiny.

Nisy androany 14 mey 2019 ny famoriana tompon’andraikitra maro teto Morondava ho fanamafisana ny fisorohana izay mbola ho mety fisehoan’ity tranga ity any aoriana, nohazavaina tamin’izany ny andraikitrin’ny tsirairay ho fisorohana ity tranga ity satria tsy ho vitan’ny mpiasan’ny fahasalamana irery ihany izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.