Cybercriminalité: Midanadana ho an’ireo mpanao kaonty sandoka amin’ny Facebook ny varavaran’ny fonja

  • mardi, 14 mai 2019 16:09
  • Britto

Mihamahazo vahana ny fanalam-baràka amin’ny tambazotra sosialy toy ny Facebook, indrindra amin’izao fotoanan’ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana solombavambahoaka izao.

Miasa andro aman’alina ankehitriny ireo manam-pahaizana amin’ny Cybercriminalité manao hazalambo miainga amin’ny fitsirihana ireo kaonty sandoka noforonina anaovan’ny sasany fanalam-baraka sy hanaratsiana olona fotsiny.

Misy hatramin’ny minisitra ny mpitory hanenjehana ireny tsy tan-dalàna ireny.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.