« Accès Banque » Bazary Kely: 50 tapitrisa Ariary an'ny banky miampy finday sy volan’ny mpanjifa lasan’ny jiolahy

  • jeudi, 09 mai 2019 13:49
  • Zakaria
  • Sary: Polisim-pirenena

Jiolahy 04, araky ny loharanom-baovaon'ny polisy, tsy misaron-tava mirongo basy poleta 02 no nandromba ny « Accès Banque » tao Bazary Kely Toamasina ny atoandron’ny 08 mey 2019.

Niditra an-keriny tao amin'ity banky ity ireo jiolahy ary nendahan'izy ireo avokoa ireo mpanjifa sendra azy ireo tao ary norobain'izy ireo ny vola rehetra tao amin'ny « caisse ». Mitentina 50 tapitrisa Ariary ny volan'ny banky miampy vola maro no nalain'izy ireo tamin'ireo mpanjifa.

Nitsoaka tamin'ny moto ireto jiolahy ireto taorian’izay. Najanon’izy ireo teny an-dalana ny moto iray rehefa nahita ny fiavin'ny Polisy nanenjika izy ireo.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.