Mahazomà – Maevatanana: Navotsotr’ireo mpaka an-keriny ilay vehivavy bevohoka

  • vendredi, 03 mai 2019 19:31
  • Zakaria

Ny ampitson’ny fakana an-keriny, dia navotsotr’ireo mpaka an-keriny ilay vehivavy bevohoka nisy nanao takalonaina tao amin’ny Fokontany Tanimbaritsara, Kaominina Mahazomà, Faritra Betsiboka ny alin’ny talata 30 aprily 2019.

Nandoavan’ny fianakaviana vola 12 tapitrisa Ariary ho tambin’ny famotsorana azy. Salama tsara ilay ramatoa, na teo aza ny tebitebin-tsaina nianjady taminy.

Efa-dahy no voalaza fa nanatanteraka izao fakana an-keriny izao.

Nametraka laharana finday ireo olon-dratsy taorian’ny nandehanany. Rehefa nantsoin’ny raim-pianakaviana io laharana io dia nisy nandray tokoa, ary « nilaza fa aty aminay ny vadinao ».

Isany manana omby betsaka ao an-tanàna ity fianakaviana lasibatry ny fakana an-keriny ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.