Kolikoly: Senatera roa nanokafana fanadihadiana

  • lundi, 22 avril 2019 08:36
  • Zakaria

Voarohirohy amina tsenan'asam-panjakana momba ny vaksiny, nisy fanodinkodinam-bola hatramin'ny 60 miliara Ariary ny Senatera iray.

Efa nandalo famotorana izy ary miandry fanomezan-dalana avy amin'ny Fitsarana fandravana didy ny fanohizana izany famotorana azy izany sy ny fampitana ny dosie eny amin'ny Fampanoavan'ny Pôle anti-corruption (PAC).

Kolikoky amin'ny resaka fananantany, tamin'ny andraikitra notanany talohan'ny naha Senatera azy kosa, no anadihadiana ilay Senatera faharoa. Efa nisy famotorana natao azy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.