Ambanja: Rongony milanja 100kg saron’ny Polisy

  • dimanche, 14 avril 2019 13:17
  • Britto
  • Sary nomena

Ny alarobia 10 aprily 2019 tokony tamin'ny 6ora 30min hariva teo dia nisy olona nitondra entana nampiahiahy niaraka tamin'ny cyclo-pousse. Mpitandro filaminana avy nisakafo hariva no nahatsikaritra izany ka nampandre ny mpiara-miasa taminy avy hatrany fa anjarany ny nanara-maso ny toerana nalehan'ireto.

Olona telo no voasambotra tamin'izany. Ny iray moa mbola tafatsoaka fa ny alin'io ihany dia efa voasambotra satria nisy nahafantatra.

Marihina fa cyclo-pousse izay nindramina tamin'olona hitondrasana marary eny amin'ny hopitaly izao nitondrana rongony izao.

Taorian'ny famotorana natao ireo ny alakamisy 11 aprily 2019 dia efa natolotra ny Fitsarana Ambaratonga voaloany teto Ambanja izy ireo ; ny rongony kosa dia nodorana, hoy ny Commissaire de Police Ambanja Joseph Saramba.

Noho izany dia nohamafisina ny fisavana ireo cyclo-pousse izay mitondra entana mivezivezy ato amin'ny faritra Sambirano ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.