Loza an-dranomasina: Avotra izy 18 tao amin’ny sambo « Anilla »

  • jeudi, 11 avril 2019 16:46
  • Britto

Niala tao Antsiranana omaly tamin’ny 9 ora alina, ny sambo « Anilla » ary hiazo an’i Vohémar. Tra-doza teny amin'ny fari-dranomasin’i Vohémar anefa ilay sambo, nisy lavaka anankiroa ilay sambo ka nampidi-drano.

Nandefa vedety avy hatrany hamonjena ireo olona tao anaty sambo ny APMF Vohémar, vantany vao nahazo fampilazana.

Nafindra tamin’ireny lakana plastika abontsina amin’ny rivotra ireny miisa anankiroa izy ireo, ary ny onjan-dranomasina no nanosika niazo ny morona tao Anjiamangotro, Kaominina Ampisikina, Distrika Vohémar. Lakan’ny mpanjono indray no nitatitra tsikelikely azy ireo namonjy torapasika.

Tantsambo miisa 12 miampy mpandeha 6 no tao anatiny, ary avotra soamantsara tafakatra an-tanety avokoa, androany tamin’ny 4ora sy sasany maraina.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.