Oniversite an'Antananarivo: Hikatona tanteraka ny vavahady manomboka ny talata 09 Aprily 2019

  • lundi, 08 avril 2019 21:55
  • Britto
  • Tahirin-tsary nindramina

Nanao fanambarana ao amin’ny pejiny facebook ny SECES Sampana Antananarivo androany, milaza fa hitohy ny fitokonan’izy ireo. Hikatona tanteraka ny vavahadin'ny Oniversite an'Antananarivo manomboka rahampitso talata 09 Aprily 2019. Vao maika izany hikatso tanteraka ny fampianarana ambaratonga ambony eto Antananarivo.

Anton’izao fitokonana izao, raha ny fanazavana hatrany dia “tsy ampy ny Mpampianatra sy Mpikaroka, tsy misy anefa ny fandraisana vaovao”. “Ireo am-perin'asa nahavita be tamin'ny fanompoana tsy hasondrotra noho ny fikatsoan'ny ''reclassement'' sy ''avancement'' navoakan'ny Ministeran'ny toe-karena sy vola ary ny teti-bola”. Ary “Ireo Zokiolona manana traik'efa tsy avela hanohy satria nofohanana ny ''maintien en activité''.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.