Herinaratra: Tapaka ny famatsiana solika ny JIRAMA tamin'ny tanàna miisa 5

  • mercredi, 03 avril 2019 19:30
  • Britto

Olana tamin'ny mpamatsy solika no nambaran’ny JIRAMA fa nanapahan'izy ireo ny famatsiana solika ho an'ny JIRAMA, ho an'ny tanàna miisa 5 eto Madagasikara, dia Ambanja, Anjozorobe, Antsohihy, Mampikony ary Ampanefena.

Nisy ny fifampiresahan'ny ministera sy ny JIRAMA tamin'ireo mpamatsy solika ireo ka nahafahana namerina amin'ny laoniny ny famatsiana solika ny tobi-pamokaran'ny JIRAMA, hiverenan’ny famokarana herinaratra miandalana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.