RN25: Lozam-piarakodia namoizana ain'olona 2, naratra 18

  • dimanche, 17 mars 2019 15:38
  • Britto

Fiara mpitatitra manao zotra Antananarivo-Mananjary no tra-doza, nivarina an-kady androany tamin'ny 4ora maraina rehefa nilaozan'ny hisatra teo ampidinana ao Ambatolahy amin'ny lalam-pirenena faha-25, miazo an'i Ranomafana-Ifanadiana.

Mpandeha roa maty tsy tra-drano, ka anisan'izany ny Ben'ny Tanàna Fiadanana ao amin'ny Distrika Nosy-Varika, 18 hafa naratra, ka ny efatra tsy dia misy ahiana ny amin'izy ireo, tsaboina ao Ranomafana, ny 14 kosa nalefa ao amin'ny hopitaly eo an-drenivohitry ny Distrika Ifanadiana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.