Vary mora: 16 500 taonina avy any Pakistan tonga eto Toamasina

  • dimanche, 17 mars 2019 15:37
  • Britto
  • Sary nindramina

Omaly sabotsy tolakandro no niantsona eto amin'ny seranantsambon'i Toamasina ny sambo mitondra vary mora milanja 16 500 taonina avy any Karachi-Pakistan.

Ampidinina eto Toamasina, atoby ao amin'ny seranantsambo ny 10 000 taonina, halefa any Toliara kosa ny 6 500 taonina ambiny.

Fampanatenana nataon'ny filoha Andry Rajoelina ny hahatongavan'ny vary mora hanalefahana ny fiantraikan'ny fiakaran'ny vidim-bary eny an-tsena amin'ny fiainan'ny isan-tokantrano.

Raha tsy misy ny fiovana dia ho avy aty Toamasina hijery ny fahatongavan'ireto vary mora ireto ny tenany anio alahady tolakandro.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.