Vaksiny kitrotro: Distrika miisa 67 no hifantohan'ny andiany fahatelo

  • samedi, 16 mars 2019 10:04
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Hotanterahina ny 25 martsa ka hatramin’ny 5 aprily ho avy izao, manerana ny Distrika miisa 67 ny hetsika fanaovam-baksiny fanefitry ny kitrotro.

Taorian’ny hetsika fanaovam-baksiny notanterahina nanerana ireo Distrika 47 ny volana janoary sy febroary lasa teo dia hita taratra ny fihenan’ny isan’ireo ankizy voan’ny kitrotro.

Vinavinaina ho efatra (04) tapitrisa latsaka kely eo, ireo zaza ho atao vaksiny mandritra ity hetsika andiany fahatelo ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.