Aéroport Ivato: Mpibata entana 120 lahy very asa

  • vendredi, 15 mars 2019 19:51
  • Zakaria

Naato nanomboka omaly ny "service portage" niara-niasa tamin'ny ADEMA mibata entana sy manosika chariot an'ireo mpandeha hiainga sy tonga eny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato.

Asa efa nisy 30 taona teny Ivato io "service portage" io, olona manodidina 120 no miasa mivantana aminy, mamelona fianakaviana aman-jatony. Misy amin'ireo no efa mihoatra ny 60 taona, fa dia ho very asa, hanampy ireo tsy an'asa manomboka izao.

Mpiasa hanangona chariot sisa no mety hotazomina amin'ireo mpibata entana ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.