Andry Rajoelina: Hanao valandresaka amin’ny mpanao gazety eo am-pahatongavana eny Ivato

  • vendredi, 15 mars 2019 14:56
  • Tigre

Hiverina an-tanindrazana anio tolakandro ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina taorian’ny fitsidihana nataony tatsy Maorisy, sady nanome voninahitra ny faha-51 taonan’ny fahaleovantenan’ity Nosy ity, sy tatsy Nairobi Kenya, nanatria ny fihaonambe fahatelo ikatsaham-bahaolana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro na « One Planet Summit ».

Hisy valandresaka hatao amin’ny mpanao gazety eo am-pahatongava eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato.

 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.