Fifidianana depiote: 855 ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiana voarain’ny OVEC nanerana ny Nosy

  • jeudi, 14 mars 2019 09:46
  • Britto

Kandida natolotry ny antoko ny 340, ary mahaleotena na tsy miankina ny 515 tamin’ireo. Raha ny tatitra vonjimaika nataon’i Rakotonarivo Thierry, filoha lefitry ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI.

Antoko sy vondrona antoko miisa 58 amin’ireo 210 mijoro ara-dalàna no nanolotra kandida. Tamin’ny Distrika miisa 106 amin'ny 119 no nandrotsahan’ny vovonana « Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina » kandida, raha toa ka 79 ny amin'ny anaran’ny Tiako i Madagasikara.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.