Fifidianana Depiote: Distrika miisa 52 tsy mbola naharaisana firotsahan-kofidiana

  • lundi, 11 mars 2019 19:13
  • Britto

Androany tamin’ny mitatao vovonana, raha ny loharanom-baovao eo anivon’ny CENI, dia Distrika miisa 52 manerana ny Nosy no tsy mbola nisy kandida tonga nametraka taratasy firotsahan-kofidiana teny anivon’ny OVEC.

Misy kandida milaza fa efa vonona ny antotan-taratasiny saingy foana noho ny andro ratsy ny sidina mandeha any amin’ny fari-piadidiana tiany hirotsahana, ka maka torohevitra ny amin’ny tokony hataony satria ambivitra ny fotoana.

Rahampitso talata 12 martsa amin’ny 5ora hariva no fe-potoana farany voalazan’ny lalàna andraisan’ny OVEC ny taratasy firotsahan-kofidian’ireo mpifaninana ho eny Tsimbazaza.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.