Addis-Abeba: Fivoahana voalohany ivelan’i Madagasikara ataon’i Andry Rajoelina

  • dimanche, 10 février 2019 10:29
  • Britto
  • Sary nindramina

Any Addis-Abeba, renivohitr’i Etiopia hatry ny omaly sabotsy 09 febroary, mitarika ny delegasiona malagasy hanatrika ny fivoriana tsy ara-potoanan'ireo Filoham-panjakana sy filohana governemanta, andiany faha-32 ho an'ny Vondrona Afrikana ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina.

Izao no fitsidihana iraisam-pirenena voalohany ataony taorian'ny fianianana nandraisany ny fahefana feno amin'ny maha filoham-pirenena azy ny 19 janoary 2019.

Hanana anjara fitenenana izy mandritra ny lanonam-panokafana hatao anio alahady 10 febroary 2019.

Roa andro no haharetan'ny fivoriana, ka ny loha-hevitra nosafidiana tamin'ity andiany faha-32 ity dia ny hoe : "Mpitsoa-ponenana, mpifindra monina : firosoana mankany amina vahaolana maharitra ho an'ireo mifindra lasy an-tery aty Afrika".

Firenena miisa 41 no hanana solontena handray anjara amin'izao fihaonana an-tampony izao.

Ny talata 12 febroary 2019 no hitodi-doha an-tanindrazana ny delegasiona Malagasy.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.