Mahamasina: Miezaka manadio ireo lakandrano tsentsina ny Kaominina Antananarivo Renivohitra

  • vendredi, 08 février 2019 15:16
  • Britto
  • Sary : CUA

Taorian’iny oram-baratra omaly 7 febroary 2019 dia maro ireo toerana izay dibo-drano teto an-dRenivohitra, noho ny fahatsentsenan’ireo lakandrano maro samihafa sy ny fahanteran’ireo fotodrafitr’asa.

Fako ataon’ny mponina no manentsina ireo lakandrano maro, ka tsy ahafahan’ny rano mikoriana tsara araka ny tokony ho izy. Nanao izay ho afany ireo mpiasan’ny Kaominina tamin’ny fanalàna ireo fako aman-taoniny maro ireo.

Manao antso ny Kaominina Antananarivo Renivohitra fa ho fotoam-bery sy zava-poana ny asa fanadiovana atao raha tsy mandray ny andraikitra tandrify azy ny tsirairay amin’ny fanariana ny fako eny amin’ny toerana izay tokony hanariana azy amin’ny ora izay efa voatondro.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.