Fandriampahalemana: Hividy helikôptera dimy ny fanjakana

  • vendredi, 08 février 2019 10:35
  • Britto

Ho avy ato anatin’ny roa volana ireo helikôptera ireo, araka ny fanazavan’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy Andriantongarivo tao amin’ny haino aman-jerimpanjakana. Hampitaovana ny mpitandro ny filaminana hanamafisana indrindra ny ady amin’ny halatr’omby ireto helikôptera ireto.

Folo no nambaran’i Andry Rajoelina nandritra ny fampielezankevitra fa hovidian’ny fanjakana, fony izy mbola kandida. Heverina fa ho fisantarana izany ireto ho avy ireto.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.