Morafeno-Toamasina: Faly loatra tamin’ny fahalanian-dRajoelina, rangahy iray tapaka lalan-drà

  • mercredi, 09 janvier 2019 18:18
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Toamasina

Tranga mampalahelo no nisy tao Morafeno ny harivan’ny omaly talata 8 janoary. Rangahy iray fantatry ny maro amin’ny solon’anarana hoe : Toussain no tapaka lalan-drà tampoka teo am-pijerena valim-pifidianana ofisialy navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana.

40 taona eo ho eo i Toussain, monina ao Morarano ary mpitondra kalesa no anton’asany.

Niara-nijery fahitalahvitra tamina olona maromaro tao amin’ny toeram-pivarotana iray tao Morafeno Toamasina izy ny harivan’io talata 8 janoary io. Teo am-panononana ny isam-bato sy salanisam-bato ary ny anaran’ny kandida mpandresy, dia niteny i Toussain hoe : « Voafidy prezida Rajoelina, mba ahita asa amin’izay zaho ». Taorian’io dia nianjera tampoka tamin’ny seza nisy azy izy.

Faly loatra ka tratran’ny fahatapahan’ny lalan-drà tampoka (AVC). Voa ny ilan-tanany, tongony ary tarehiny.

Nisy olona tsara sitrapo nitondra azy teny amin’ny Hopitaly Be, ary manohy fitsaboana eny izy izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.