Ankafotra-Sandrandahy: Main’ny varatra ny EPP

  • mercredi, 09 janvier 2019 18:06
  • Britto

Potika tsy nisy noraisina ny tafon-tsekoly, misy efitra telo, ny latabatra sy seza ary ny boky aman-kahie tao amin’ity EPP Ankafotra, Kaominina Sandrandahy, Distrikan’i Fandriana ny harivan’ny zoma 4 janoary 2019 teo, nilatsahan’ny varatra. Nanoram-baratra tamin’io.

Mpianatra miisa 95 no tsy manana foto-drafitrasa hianarana satria dia potika hatramin’ny rindrin-trano noho io loza io.

Misy ihany ny efa nanome fanomezana saingy tsy ampy hisahanana ny fanarenana ilay foto-drafitrasa simba.

Efitrano roa amina tranon’olontsotra no ampiasaina vonjimaika ianaran’ny mpianatra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.